Retour

Betsaka no zavatra azo tantaraina tamin'ny fotoana nolalovana tao amin'ny lycée, ary zavatra nahafinaritra avokoa. Marina fa ny ankabiazany dia ny fanadalana ireo mpampianatra, indrindra ny profs de français, anglais, malgache. Na nanidy vavahady 15mn ao aorianan'ny fidirana aza i RAJOULE dia mbola mahita irika ihany izahay mangalatra miditra any amin'ny Labo na any amin'ny infirmerie ny kilasimandry. Noho izany tafiditra any am-pianarana foana izahay na tara aza.

Ireto avy no mpampianatra tadidiko:

Mr MARLY (prof d'anglais) - LIVA ( prof de Gym, fameux handballeur) - Mr RANDRIAMBELOMA (prof de malgache) - Mme LAY (prof de science nat) - Fred RAMIANDRISOA antsoina hoe IKAMA (prof de malgache) - Mr RAMANDIMBILAHATRA (tsy tadidiko na prof d'histo-géo na malgache). Ireo izany dia prof tsy hita teo amin'ny sary etsy ambony.